-
Deoteronomia 3:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Tamin’izay dia nalaintsika ho antsika ilay tany, manomboka eo Aroera,+ eo akaikin’ny Lohasahan’i* Arnona, sy ny antsasaky ny faritra be tendrombohitr’i Gileada. Nomeko ho an’ny Robenita sy ny Gadita ny tanàna tany.+ 13 Nomeko ho an’ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa ny ambiny amin’i Gileada sy ny faritr’i Basana manontolo, izay anisan’ny fanjakan’i Oga.+ Tanin’ny Refaima no nahafantarana ny faritr’i Argoba manontolo, izay anisan’i Basana.
-