-
Deoteronomia 20:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Fa miara-mandeha aminareo i Jehovah Andriamanitrareo ka hiady amin’ny fahavalonareo, ary hamonjy anareo.’+
-
-
Josoa 10:40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
40 Resin’i Josoa ny tany rehetra teny amin’ny faritra be tendrombohitra sy tany Negeba sy Sefela+ sy teny amin’ireo tehezan-kavoana ary ny mpanjakan’izy rehetra, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Naringany tanteraka ny zavamananaina rehetra,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+
-
-
Josoa 10:42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
42 Tamin’ny fotoana iray ihany no nandresen’i Josoa an’ireny mpanjaka rehetra ireny sy nahazoany ny taniny, satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely no niady ho an’ny Israely.+
-