-
Deoteronomia 30:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Miantso ny lanitra sy ny tany aho izao ho vavolombelona hiampanga anareo, fa efa nomeko safidy ianareo hoe fiainana sa fahafatesana, ary fitahiana sa ozona.+ Koa fidio ny fiainana mba ho velona+ ianao sy ny taranakao,+ 20 ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao,+ henoy ny feony, ary mifikira aminy.+ Fa izy no manome fiainana anao sy mahatonga anao ho ela velona eo amin’ilay tany nianianan’i Jehovah hoe homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenao.”+
-