FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 21:21-26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary naniraka olona nankany amin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita ny Israely, hiteny hoe:+ 22 “Avelao izahay handalo ao amin’ny taninao. Tsy hivily ho eny amin’ny saha na tanimboaloboka izahay, sady tsy hisotro rano amin’izay lavadrano ao. Fa ny Lalan’ny Mpanjaka no handehananay, mandra-pahatafavoakanay ny taninao.”+ 23 Tsy navelan’i Sihona handalo tao amin’ny taniny anefa ny Israely. Nangoniny daholo kosa ny vahoakany, dia nivoaka hiady tamin’ny Israely tany an-tany efitra izy. Ary tonga tao Jahaza izy ka niady tamin’ny Israely.+ 24 Resin’ny Israely anefa izy ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mponina tao.+ Dia nalain’ny Israely ny taniny,+ hatrany Arnona+ ka hatrany Jaboka,+ teo akaikin’ny Amonita. I Jazera+ mantsy no sisin-tanin’ny Amonita.+

      25 Nalain’ny Israely daholo àry ireny tanàna ireny. Dia nipetrahan’izy ireo daholo ny tanànan’ny Amorita,+ izany hoe Hesbona sy ny tanàna rehetra niankina taminy.* 26 Fa i Hesbona no tanànan’i Sihona mpanjakan’ny Amorita. Efa niady tamin’ny mpanjakan’i Moaba izy taloha, ka nalainy daholo ny tanin’io mpanjaka io, hatrany Arnona.

  • Deoteronomia 2:26, 27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Ary naniraka olona avy any an-tany efitr’i Kedemota+ aho hankany amin’i Sihona mpanjakan’i Hesbona, mba hiteny aminy hoe mitady fihavanana+ isika, ka hilaza hoe: 27 ‘Mba avelao aho handalo ao amin’ny taninao. Amin’ny lalambe ihany aho no handeha fa tsy hivily hiankavanana na hiankavia.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara