-
Deoteronomia 13:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Tokony hovonoina ho faty kosa izany mpaminany na mpanonofy izany.+ Izy mantsy nitaona anareo hikomy tamin’i Jehovah Andriamanitrareo, ilay Andriamanitra nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, sy nanavotra anareo avy tany amin’ny toerana nanandevozana anareo. Nitaona anareo hiala amin’ilay lalana nasain’i Jehovah Andriamanitrareo haleha koa izy. Esory tsy ho eo aminareo ny ratsy.+
-
-
Deoteronomia 22:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 “Raha misy lehilahy tratra manao firaisana amin’ny vehivavy vadin’olona, dia tsy maintsy miaraka vonoina ho faty izy roa, izany hoe ilay lehilahy nanao firaisana tamin’ilay vehivavy sy ilay vehivavy.+ Koa esory eo amin’ny Israely ny ratsy.
-