-
Deoteronomia 8:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tsarovy ilay lalana lavitra be nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-tany efitra nandritra an’izay 40 taona izay.+ Nentiny tany amin’ilay lalana ianao, satria tiany hampianarina hanetry tena sy tiany hotsapaina,+ mba hahafantarana an’izay ao am-ponao+ na hanaraka ny didiny ianao na tsia.
-
-
Josoa 23:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Fa raha miala aminy kosa ianareo ka mifikitra amin’ireo firenena sisa tavela+ eo aminareo, ary mifanambady*+ amin’izy ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo, 13 dia fantaro tsara fa tsy handroaka an’ireo firenena ireo intsony i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ho fandrika sy vela-pandrika ho anareo izy ireo, sady ho karavasy hikapoka ny tehezanareo+ ary ho tsilo ao anaty masonareo, mandra-paharipaka anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
-
-
Mpitsara 3:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Natao hitsapana ny Israely ireo firenena ireo, mba hahitana raha hankatoavin’izy ireo na tsia ny didy nomen’i Jehovah ny razambeny tamin’ny alalan’i Mosesy.+
-