-
Nomery 10:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Rehefa tonga koa ny fotoana mahafaly anareo,+ izany hoe rehefa fety+ sy amin’ny fiandohan’ny volana, dia hitsoka trompetra ianareo rehefa manolotra fanatitra dorana+ sy sorona iombonana.+ Hotsaroan’Andriamanitra ianareo amin’izay, rehefa tsofina ny trompetra. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”+
-
-
2 Tantara 2:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitro mantsy aho. Amin’izay aho mba ho afaka hanamasina an’ilay izy ho Azy, handoro emboka manitra+ eo anatrehany, hametraka ny mofo mifanaingina* izay tokony ho eo amin’ny toerany foana,+ ary hanatitra fanatitra dorana amin’ny maraina sy hariva,+ rehefa Sabata+ sy tsinam-bolana+ ary amin’ny fotoanan’ny fety+ ho an’i Jehovah Andriamanitray. Zavatra tsy maintsy ataon’ny Israely foana izany.
-