-
1 Samoela 27:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nino an’i Davida i Akisy, ka hoy izy tany an-tsainy: ‘Lasa halan’ny Israely vahoakany tokoa izy, ka ho mpanompoko foana.’
-
-
1 Samoela 29:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Hoy anefa ireo andrianan’ny Filistinina: “Fa inona koa no ataon’ireo Hebreo ireo atỳ?” Dia hoy i Akisy: “I Davida mpanompon’i Saoly mpanjakan’ny Israely io. Efa herintaona na mihoatra+ izao no niarahany tamiko. Ary tsy mahita hokianina aminy aho hatramin’ny andro nitsoahany ho atỳ amiko ka hatramin’izao.”
-