-
Deoteronomia 23:3-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah na ny Amonita na ny Moabita.+ Na hatramin’ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah mihitsy. 4 Tsy nanampy anareo mantsy izy ireo sady tsy nanome sakafo sy rano anareo, tamin’ianareo teny an-dalana avy tany Ejipta.+ Nokaramainy hanozona anareo koa i Balama zanak’i Beora, avy any Petora, any Mezopotamia.+ 5 Tsy nety nihaino an’i Balama anefa i Jehovah Andriamanitrao,+ fa novan’i Jehovah Andriamanitrao ho tsodrano ho anao ilay ozona,+ satria tia anao i Jehovah Andriamanitrao.+ 6 Tsy tokony hitady izay hahasoa an’ireny mihitsy ianao na hanao izay hiadanany, mandritra ny androm-piainanao.+
-