-
2 Samoela 13:39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 Te hahita mafy an’i Absaloma i Davida Mpanjaka, tamin’ny farany. Efa nionona tamin’ny nahafatesan’i Amnona mantsy izy.
-
-
2 Samoela 18:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Dia nivadi-po ny mpanjaka ka niakatra tao amin’ilay efitra teo ambony vavahady, ary nitomany. Sady nandeha izy no niteny hoe: “Ry Absaloma zanako, ry zanako, ry Absaloma zanako ô! Tahaka izay mba izaho no maty fa tsy ianao, ry Absaloma zanako, ry zanako ô!”+
-
-
2 Samoela 19:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Nanjary nisaona àry ny olona rehetra na dia nahazo fandresena* aza tamin’iny andro iny. Henon’izy ireo mantsy fa nalahelo an-janany ny mpanjaka.
-