-
2 Samoela 12:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Izao no lazain’i Jehovah: ‘Hahatonga loza ho anao avy ao amin’ny ankohonanao+ ihany aho. Ary halaiko eo imasonao ireo vadinao, ka homeko ho an’ny lehilahy hafa.*+ Dia hanao firaisana amin’izy ireo amin’ny antoandrobenanahary*+ izy. 12 Ianao nanao zavatra niafinafina,+ fa izaho kosa hanao an’izany eo anatrehan’ny Israely rehetra sy amin’ny antoandrobenanahary.’”*
-