FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “‘Ary raha misy olona hafa firenena mipetraka eo aminareo, dia tokony hikarakara ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an’i Jehovah koa izy.+ Araka ny lalàn’ny Paska sy araka izay efa fanao amin’izy io no hikarakarany azy.+ Tokony hitovy ihany ny lalàna ho an’ny vahiny sy ny teratany.’”+

  • Rota 1:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 2 Mpanjaka 5:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 2 Tantara 6:32, 33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 “Raha misy koa vahiny tsy anisan’ny Israely vahoakanao, nefa tonga avy any an-tany lavitra noho ny amin’ny anaranao be voninahitra*+ sy ny tananao matanjaka ary ny sandrinao mahery, ka tonga mivavaka manandrify an’ity trano ity izy,+ 33 dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao any, ka hanao an’izay rehetra angatahin’ilay vahiny aminao! Amin’izay dia ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao,+ ka hatahotra anao hoatran’ny Israely vahoakanao izy ireo, ary ho fantany fa efa nantsoina teto amin’ity trano naoriko ity ny anaranao.

  • Isaia 56:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Izay hafa firenena miandany amin’i Jehovah mba hanompo azy,

      Sy mba ho tia ny anaran’i Jehovah,+

      Ary mba ho mpanompony,

      Izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manazimbazimba azy,

      Sady mifikitra mafy amin’ny fifanekena nataoko,

       7 Dia hoentiko any amin’ny tendrombohitro masina+ koa,

      Ary hampifaliko ao amin’ny trano fivavahana amiko.

      Hekeko izay fanatitra dorana manontolo sy sorona ataony eo ambony alitarako.

      Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny olona rehetra.”+

  • Asan’ny Apostoly 8:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Dia nitsangana i Filipo ka lasa ary nahita tandapa* etiopianina. Manam-pahefana teo ambany fifehezan’i Kandasy mpanjakavavin’ny Etiopianina izy io, ary niandraikitra ny harenany rehetra. Nankany Jerosalema izy mba hivavaka,+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara