FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 11:1-4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Vao tonga tany Jerosalema i Rehoboama, dia namory ny taranak’i Joda sy Benjamina,+ izany hoe miaramila 180 000 efa zatra ady.* Novoriny izy ireo mba hiady tamin’ny Israely, amin’izay ho azon’i Rehoboama indray ny fanjakana.+ 2 Dia hoy i Jehovah tamin’i Semaia,+ lehilahin’Andriamanitra: 3 “Lazao amin’i Rehoboama zanak’i Solomona mpanjakan’ny Joda, sy amin’ny Israelita rehetra any amin’ny tanin’i Joda sy Benjamina hoe: 4 ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Aza miakatra hiady amin’ny rahalahinareo. Samia mody any an-tranonareo avy, fa izaho no nahatonga an’izao.”’”+ Dia nankatò ny tenin’i Jehovah izy ireo, ka nody fa tsy nanafika an’i Jeroboama.

  • 2 Tantara 25:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Dia novorin’i Amazia isaky ny fianakaviambeny ny Joda, ka ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato no nitarika azy ireo. Hoatr’izany no nataony tamin’ny Joda sy Benjamina rehetra.+ Dia nosoratany anarana izay 20 taona no ho miakatra,+ ka hitany fa miaramila 300 000 efa zatra ady* no azo alefa ao amin’ny tafika, sady mahavita mitana lefona sy ampinga lehibe.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara