-
2 Mpanjaka 23:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Ary hoy i Josia: “Fasan’iza irỳ misy tsangambato tazako irỳ?” Dia hoy ny olona tao an-tanàna: “Fasan’ilay lehilahin’Andriamanitra avy any Joda+ io. Izy ilay nilaza mialoha an’izao zavatra nataonao tamin’ilay alitara teto Betela izao.” 18 Hoy àry izy: “Avelao izy. Aza avela hisy hikitikitika ny taolambalony.” Dia tsy nokitihin’izy ireo ny taolambalony sy ny an’ilay mpaminany avy any Samaria.+
-