-
1 Mpanjaka 10:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nanao ampinga lehibe 200 tamin’ny volamena misy fangarony i Solomona Mpanjaka,+ ka volamena milanja 600 sekely* no nandrakofany ny ampinga tsirairay.+ 17 Nanamboatra ampinga kely* 300 tamin’ny volamena misy fangarony koa izy, ka volamena milanja telo mina* no nandrakofany ny ampinga kely tsirairay. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny Trano Alan’i Libàna+ ireo.
-
-
2 Tantara 12:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia niakatra nanafika an’i Jerosalema i Sisaka mpanjakan’i Ejipta. Nalainy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah+ sy tao an-tranon’ny* mpanjaka. Lasany daholo ny zava-drehetra, anisan’izany ny ampinga volamena nataon’i Solomona.+ 10 Nanao ampinga varahina àry i Rehoboama Mpanjaka ho solon’ireny. Nasainy niandraikitra an’ireny ny lehiben’ny mpiambina,* izay niambina ny fidirana mankao an-tranon’ny mpanjaka. 11 Isaky ny nankao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka, dia niditra ny mpiambina sady nitondra an’ireo ampinga, dia avy eo namerina an’izany tao amin’ny efitra fiambenana.
-