-
Deoteronomia 34:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Dia niakatra avy eny amin’ny lemaka karakaina any Moaba i Mosesy ka nankany amin’ny Tendrombohitr’i Nebo,+ ho eo an-tampon’i Pisga,+ izay tandrifin’i Jeriko.+ Ary nasehon’i Jehovah azy ilay tany manontolo, hatrany Gileada ka hatrany Dana,+ 2 sy Naftaly manontolo, sy ny tanin’i Efraima sy Manase, sy ny tanin’i Joda manontolo hatrany amin’ny ranomasina andrefana,*+ 3 sy Negeba+ sy ny Faritr’i Jordana,+ sy ny lemak’i Jeriko, ilay tanàna be hazo palmie, ary hatrany Zoara.+
-