FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 20:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Izao no holazainao amin’ny Israelita: ‘Tsy maintsy vonoina ho faty na iza na iza manolotra ny taranany ho an’i Moleka, na Israelita izy na hafa firenena monina any Israely.+ Hitora-bato azy ho faty ny vahoaka. 3 Izaho mihitsy no hanohitra azy ka handringana azy tsy ho eo amin’ny fireneny. Nisy natolony ho an’i Moleka mantsy ny taranany, ary nolotoiny ny toerako masina,+ dia nozimbazimbainy ny anarako masina.

  • 2 Tantara 33:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Lasa mpanjaka i Manase+ tamin’izy 12 taona, ary nanjaka 55 taona tao Jerosalema izy.+

  • 2 Tantara 33:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary nandoro ny zanany lahy tao anaty afo+ teo amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma izy.+ Nampiasa herin’ny maizina+ sy nanao sikidy sy nilalao ody koa izy, ary nanendry mpamoha angatra sy mpilaza ny hoavy.+ Nanao zava-dratsy be dia be teo imason’i Jehovah mihitsy izy mba hampahatezitra azy.

  • Jeremia 7:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta, ao amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,*+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo.+ Tsy nandidy azy hanao an’izany anefa aho, ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara