-
1 Mpanjaka 15:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Koa nalain’i Asa daholo ny volafotsy sy ny volamena sisa tamin’ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka, ka nampitondrainy an’ireo mpanompony. Avy eo, dia nirahin’i Asa Mpanjaka izy ireo ho any amin’i Beni-hadada, zanak’i Tabrimona zanak’i Heziona, mpanjakan’i Syria,+ izay nipetraka tao Damaskosy, mba hilaza hoe: 19 “Nanao fifanarahana* izaho sy ianao, ary ny raiko sy ny rainao. Dia nampitondra volafotsy sy volamena hatao fanomezana ho anao aho. Koa foany ny fifanarahana* nifanaovanao tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely, mba hialany eto amin’ny taniko.”
-