-
Hosea 10:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia hihorakoraka hanafika ny firenenareo ny fahavalo.
Ary horavana daholo ny tanànanareo misy manda,+
Toy ny nandravan’i Salamana ny tranon’i Arbela,
Tamin’ilay andron’ny ady, rehefa niara-natao torotoro ny vehivavy sy ny zanany.
15 Izany no hatao aminareo, ry Betela,+ satria be loatra ny ratsy vitanareo.
Rehefa mazava ratsy ny andro, dia tsy maintsy haringana* ny mpanjakan’ny Israely.”+
-