12 “Rehefa vitan’i Jehovah daholo ny asany eo amin’ny Tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, dia hosaziny ny mpanjakan’i Asyria, satria maniratsira sy mirehareha ary manambony tena.+ 13 Miteny mantsy izy hoe:
‘Ho vitako izany noho ny herin-tsandriko
Sy noho ny fahendreko, fa hendry aho.
Ary hofoanako ny sisin-tanin’ireo firenena,+
Sady horobaiko ny harenany.+
Dia hifehy an’ireo mponina aho, hoatran’ny ataon’ny lehilahy matanjaka.+