-
Eksodosy 12:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Dia nifoha i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny Ejipsianina hafa rehetra tamin’iny alina iny. Ary nidradradradra mafy ny Ejipsianina, satria tsy nisy trano tsy nisy maty.+
-
-
Isaia 37:36-38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Dia tonga ilay anjelin’i Jehovah ka nandripaka lehilahy 185 000 tao amin’ny tobin’ny Asyrianina. Rehefa nifoha maraina àry ny olona, dia hitany ny fatin’izy rehetra.+ 37 Dia lasa niverina tany Ninive+ i Sankeriba mpanjakan’i Asyria ary nijanona tany.+ 38 Ary namono azy tamin’ny sabatra+ i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy, tamin’izy niankohoka tao amin’ny tranon’i* Nisroka andriamaniny. Dia nandositra tany Ararata+ izy roa lahy. Ary i Esara-hadona+ zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
-