FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 36:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Lasa mpanjaka i Zedekia+ tamin’izy 21 taona, ary nanjaka 11 taona tany Jerosalema izy.+

  • 2 Tantara 36:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Nikomy tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka koa izy,+ nefa izy aza efa nasain’i Nebokadnezara nianiana tamin’ny anaran’Andriamanitra hoe hanaiky azy. Dia mbola mafy loha* sy mafy fo ihany izy, ka tsy nety niverina tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.

  • Jeremia 27:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Izany koa no nolazaiko tamin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda. Niteny taminy aho hoe: “Ampidino ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.+

  • Jeremia 38:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Dia hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Raha mitolo-batana* any amin’ireo andrianan’ny mpanjakan’i Babylona ianao, dia ho avotra ny ainao* sady tsy hodorana ity tanàna ity, ary tsy ho faty ianao sy ny ankohonanao.+

  • Ezekiela 17:12-15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Lazao amin’io taranaka mpikomy io, azafady, hoe: ‘Tsy azonareo ve ny dikan’izany?’ Koa lazao hoe: ‘Tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babylona, ary nalainy ny mpanjaka sy ny andriana tao ka nentiny niaraka taminy tany Babylona.+ 13 Naka iray tamin’ny taranaky ny mpanjaka koa izy,+ ka nanao fifanekena taminy ary nampanao fianianana azy.+ Dia nentiny koa ny olona ambony tao amin’ilay tany,+ 14 amin’izay dia haetry ilay fanjakana ka tsy ho tafarina intsony. Rehefa manaja an’ilay fifanekena nataony ihany anefa ny vahoaka vao haharitra ilay fanjakana.+ 15 Nikomy taminy anefa ilay mpanjaka tamin’ny farany+ ka naniraka olona ho any Ejipta, satria te hahazo soavaly+ sy tafika lehibe avy any.+ Dia hahomby ve izy? Dia tsy ho voasazy ve ilay manao an’izany? Raha tsy manaja fifanekena ve izy dia hanantena hoe ho afaka handositra?’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara