-
Jeremia 32:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Ary tsy ho afa-mandositra an’ireo Kaldeanina i Zedekia mpanjakan’ny Joda. Fa hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona tokoa izy, ka hiresaka mivantana aminy sy hifanatri-maso aminy.”’+ 5 ‘Hoentiny any Babylona i Zedekia, ka hijanona any mandra-pahatongan’ny fotoana hijereko azy’, hoy i Jehovah. ‘Tsy ho resinareo ny Kaldeanina, na dia hiady aminy foana aza ianareo.’”+
-
-
Ezekiela 12:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Hitondra ny entany eo an-tsorony ilay mpiadidy eo amin’izy ireo, ka hiainga rehefa maizina ny andro. Ary holavahany ny manda, dia havoakany eo ny entany.+ Dia hotakonany ny tarehiny mba tsy hahita ny tany izy.’ 13 Hatsipiko eo aminy ny haratoko, ka ho tratran’ilay harato famandrihana izy.+ Ary hoentiko any Babylona, any amin’ny tanin’ny Kaldeanina izy, saingy tsy hahita an’ilay tany. Any izy no ho faty.+
-