-
2 Tantara 24:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Vao vitan’izy ireo ilay izy, dia nateriny tany amin’ny mpanjaka sy Joiada ny ambim-bola, ka nanamboarany an’ireto zavatra ireto: Fitaovana ho an’ny tranon’i Jehovah sy ny fanompoana, fitaovana fanaovana fanatitra, kaopy, ary fitaovana vita tamin’ny volamena sy volafotsy.+ Ary nanao fanatitra dorana+ tao an-tranon’i Jehovah foana ny olona, nandritra ny androm-piainan’i Joiada.
-
-
2 Tantara 36:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Nentiny tany Babylona daholo ny fitaovana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, na lehibe na kely, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ny andrianany.+
-
-
Ezra 1:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Navoakan’i Kyrosy Mpanjaka koa ny fitaovana tao an-tranon’i Jehovah, izay efa nalain’i Nebokadnezara avy tany Jerosalema sady nataony tao an-tranon’ny andriamaniny.+
-
-
Ezra 1:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 vilia baolina kely volamena 30, vilia baolina kely volafotsy 410, ary fitaovana hafa 1 000. 11 Nisy 5 400 ny isan’ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra. Nentin’i Sesbazara daholo izany, rehefa niala tany Babylona mba ho any Jerosalema ny olona natao sesitany.+
-
-
Daniela 5:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Rehefa mamomamo iny i Belsazara, dia nanome baiko izy hoe hoentina eo aminy ny kaopy volamena sy volafotsy, izay nalain’i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ny tempoly tany Jerosalema.+ Nasainy nentina teo izany mba hisotroan’ny mpanjaka sy ny olona ambony, ary ny vadikeliny sy ny vadiny hafa.
-