-
Jeremia 40:7-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Tatỳ aoriana, dia henon’ny lehiben’ny tafika rehetra tany ambanivohitra sy ny miaramilany, fa notendren’ny mpanjakan’i Babylona hitondra an’ilay tany i Gedalia zanak’i Ahikama. Ren’izy ireo koa hoe izy no notendreny hiandraikitra an’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy mahantra teo amin’ny vahoaka, izay tsy natao sesitany tany Babylona.+ 8 Nankany amin’i Gedalia tany Mizpa+ àry izy ireo. Ireto avy izany: I Ismaela+ zanak’i Netania, Johanana+ sy Jonatana zanak’i Karea, Seraia zanak’i Tanometa, ireo zanak’i Efay Netofatita, ary Jazania+ zanak’ilay Makatita, niaraka tamin’ny miaramilany avy. 9 Dia nianiana tamin’izy ireo sy ny miaramilany i Gedalia zanak’i Ahikama, zanak’i Safana hoe: “Aza matahotra hanompo ny Kaldeanina. Mipetraha eto amin’ity tany ity ary manompoa ny mpanjakan’i Babylona, dia hahita soa ianareo.+
-