-
Eksodosy 30:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ary hanao fandrakofam-pahotana eo amin’ny tandroky ny alitara i Arona, indray mandeha isan-taona.+ Hakany ny ra avy amin’ny fanatitra noho ny ota, ka hanao fandrakofam-pahotana+ ho an’ny alitara izy indray mandeha isan-taona, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. Tena masina amin’i Jehovah ilay alitara.”
-
-
Levitikosy 4:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Mitovy amin’izay nataony tamin’ny omby natao fanatitra noho ny ota ihany no hataony amin’ilay omby. Izany no fomba hanaovany azy. Ary handrakotra ny fahotan’ny vahoaka ilay mpisorona,+ ka ho voavela ny helok’izy ireo.
-
-
2 Tantara 29:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ary novonoin’ny mpisorona ireo osilahy ka nataony fanatitra noho ny ota, dia nataony teo amin’ny alitara ny rany, mba handrakofana ny fahotan’ny Israely rehetra. Nilaza mantsy ny mpanjaka hoe tokony ho an’ny Israely rehetra no hanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
-