-
2 Samoela 6:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Dia hoy i Davida taminy: “Teo anatrehan’i Jehovah aho no nanao fety. Izy ilay nifidy ahy fa tsy nifidy an’ny dadanao sy ny ankohonany manontolo. Ary izy no nanendry ahy ho mpitarika ny Israely+ vahoakan’i Jehovah. Noho izany, dia eo anatrehan’i Jehovah aho no hanao fety.
-
-
2 Samoela 7:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Izao tenenina amin’i Davida mpanompoko: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Naka anao avy teny amin’ny kijana teny am-piandrasana ondry+ aho mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.+ 9 Ary hanampy anao aho na aiza na aiza alehanao,+ ka haringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra.+ Dia hataoko malaza ny anaranao,+ toy ny anaran’ny olo-malaza eny ambonin’ny tany.
-