-
Mpitsara 14:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nidina nankany Timna i Samsona sy ny rainy ary ny reniny. Rehefa tonga tany amin’ny tanimboaloboka tao Timna i Samsona, dia nisy liona* nierona nanatona azy. 6 Dia nanome hery azy ny fanahin’i Jehovah,+ ka nozarainy roa hoatran’ny nizara zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Tsy noteniteneniny tamin’ny rainy sy ny reniny anefa izay nataony.
-
-
1 Samoela 17:36, 37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Samy novonoin’ny mpanomponao na ilay liona na ilay orsa. Ho toy ny iray amin’ireny koa io Filistinina tsy mifora io, noho izy nila ady tamin’ny tafik’ilay Andriamanitra velona.”+ 37 Hoy koa i Davida: “I Jehovah, ilay namonjy ahy teo an-tanan’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy eo an-tanan’io Filistinina io.”+ Dia hoy i Saoly taminy: “Mandehana àry! Hanampy anao anie i Jehovah!”
-
-
2 Samoela 23:20-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Lehilahy be herim-po* i Benaia+ zanak’i Joiada, ary nahavita zavatra niavaka maro tao Kabzela+ izy. Nahafaty an’ireo roa lahy zanak’i Ariela avy any Moaba izy, ary nidina tao anaty lavaka fanangonan-drano tamin’ny andro nisy lanezy, dia namono liona iray.+ 21 Namono lehilahy ejipsianina iray goavam-be koa izy. Na dia nitana lefona aza ilay Ejipsianina, dia niady taminy i Benaia nefa kibay no teny aminy. Nosintoniny teny an-tanan’ilay Ejipsianina ilay lefona, ka iny ihany no namonoany azy. 22 Izany no nataon’i Benaia zanak’i Joiada, ary nalaza hoatran’ireo miaramila matanjaka telo ihany izy. 23 Niavaka kokoa izy raha oharina amin’ireo 30 lahy, saingy tsy nahavita ny vitan’ireo telo lahy. Notendren’i Davida ho lehiben’ny mpiambina azy anefa izy.
-