-
1 Samoela 16:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo be noho ny nataon’i Saoly,+ nefa izy aza efa tsy nekeko ho mpanjakan’ny Israely intsony?+ Fenoy menaka ilay tandroka any aminao,+ dia mandehana. Hirahiko hankany amin’i Jese+ Betlehemita ianao, fa efa nifidy anankiray amin’ireo zanany lahy ho mpanjaka aho.”+
-
-
1 Tantara 11:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ireto avy ny lehiben’ireo miaramila matanjaka tao amin’ny tafik’i Davida, izay tena nanohana ny fanjakany, niaraka tamin’ny Israely rehetra. Nataon’izy rehetra ireo mpanjaka izy, araka ny nampanantenain’i Jehovah ny Israely.+
-