-
2 Samoela 6:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Koa nentin’izy ireo niala tao amin’ilay tranon’i Abinadaba teny amin’ny havoana ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra. Ary nandeha teo alohan’ilay Vata i Ahio. 5 Dia nanao fety teo anatrehan’i Jehovah i Davida sy ny taranak’Israely rehetra, ka nampiasa ny karazan-javamaneno rehetra vita tamin’ny hazo zenevrie, ary nampiasa harpa, zavamaneno fitendry,+ ampongatapaka,+ korintsana, ary kipantsona.+
-
-
2 Samoela 6:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nisy nilaza tamin’i Davida Mpanjaka àry hoe: “Tahin’i Jehovah ny ankohonan’i Obeda-edoma sy izay rehetra ananany, satria ao aminy ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra.” Koa lasa naka an’ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra tao an-tranon’i Obeda-edoma i Davida, ka nampiakatra an’ilay izy ho any amin’ny Tanànan’i Davida sady falifaly be.+
-