-
1 Samoela 18:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 dia niainga i Davida sy ny olony ka lasa namono Filistinina 200 lahy. Dia nentin’i Davida tany amin’ny mpanjaka ny tsitsy nesorina tamin’ireo Filistinina ireo, mba hahatonga azy ho vinantolahin’ny mpanjaka. Nomen’i Saoly ho vadin’i Davida àry i Mikala+ zanany vavy.
-
-
2 Samoela 3:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Dia hoy i Davida: “Mety izany! Hanao fifanekena aminao aho. Fa zavatra iray monja no angatahiko aminao: Aza manantena ny hahita ahy raha tsy entinao miaraka aminao i Mikala+ zanakavavin’i Saoly, rehefa mankatỳ amiko ianao.” 14 Dia naniraka olona nankany amin’i Isboseta+ zanak’i Saoly i Davida, mba hiteny hoe: “Omeo ahy i Mikala vadiko. Efa lasa fofombadiko mantsy izy tamin’izaho nanome tsitsy* nesorina tamin’ny lehilahy filistinina 100.”+
-