-
2 Samoela 6:17-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Koa nampidirina tao amin’ny tranolay ilay Vata masin’i Jehovah, ary napetraka teo amin’ny toerany. Natsangan’i Davida ho an’ilay Vata io tranolay io.+ Dia nanolotra fanatitra dorana+ sy sorona iombonana+ teo anatrehan’i Jehovah+ izy. 18 Rehefa avy nanolotra ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana i Davida, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika. 19 Samy nizarany mofo boribory sy mofo antrendry ary mofo vita tamin’ny voaloboka maina koa ny olona rehetra, dia ny vahoakan’Israely manontolo, na lahy na vavy. Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
-
-
1 Mpanjaka 8:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Teo anoloan’ilay Vata i Solomona Mpanjaka sy ny vahoakan’Israely manontolo, izay nampanantsoiny mba hihaona aminy. Be dia be mihitsy ny ondry sy omby natao sorona+ tamin’izay, ka tsy voaisa intsony.
-