-
Genesisy 26:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary aoka ianao hivahiny eto amin’ity tany ity,+ dia hanampy anao foana aho sady hitahy anao. Ianao sy ny taranakao mantsy no homeko an’ireo tany rehetra ireo.+ Dia hotanterahiko ilay fianianana nataoko tamin’i Abrahama rainao hoe:+ 4 ‘Hataoko lasa be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakao,+ ary homeko ny taranakao ireo tany rehetra ireo.+ Dia hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’+ 5 Nihaino ny teniko mantsy i Abrahama ka nataony foana izay nampanaoviko azy, sady nankatò foana ny didiko sy ny fitsipiko ary ny lalàko izy.”+
-