-
Genesisy 36:31-39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Ary ireto no mpanjaka nitondra tany Edoma,+ tamin’ny mbola tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israelita:*+ 32 I Bela zanakalahin’i Beora no nanjaka tany Edoma, ary Dinaba no anaran’ny tanànany. 33 Rehefa maty i Bela, dia i Jobaba zanakalahin’i Zera avy any Bozra no nanjaka nandimby azy. 34 Rehefa maty i Jobaba, dia i Hosama avy any amin’ny tanin’ny Temanita no nanjaka nandimby azy. 35 Rehefa maty i Hosama, dia i Hadada zanakalahin’i Bedada no nanjaka nandimby azy. Nandresy ny Midianita+ teo amin’ny faritr’i* Moaba i Hadada, ary Avita no anaran’ny tanànany. 36 Rehefa maty i Hadada, dia i Samla avy any Masreka no nanjaka nandimby azy. 37 Rehefa maty i Samla, dia i Saoly avy any Rehobota eo amoron’ny Renirano no nanjaka nandimby azy. 38 Rehefa maty i Saoly, dia i Bala-hanana zanakalahin’i Akbora no nanjaka nandimby azy. 39 Rehefa maty i Bala-hanana zanak’i Akbora, dia i Hadara no nanjaka nandimby azy, ary Pao no anaran’ny tanànan’i Hadara. Ary ny anaran’ny vadiny dia Mehetebela zanakavavin’i Matreda, izay zanakavavin’i Mezahaba.
-