-
2 Samoela 10:17-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Raha vao henon’i Davida izany, dia nangoniny ny Israely rehetra. Dia niampita ny Reniranon’i Jordana izy ireo ka tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady tamin’i Davida ny Syrianina, ka nifanandrina taminy.+ 18 Nandositra ny Israely anefa ny Syrianina. Ary mpitondra kalesy 700 sy mpitaingin-tsoavaly 40 000 no matin’i Davida. Nasiany koa i Sobaka lehiben’ny tafik’izy ireo ka maty.+ 19 Rehefa hitan’ny mpanjaka rehetra nofehezin’i Hadadezera fa resin’ny Israely izy ireo, dia nihavana haingana tamin’ny Israely izy ireo ka nanompo+ azy. Ary tsy sahy nanampy an’ireo Amonita intsony ny Syrianina.
-