-
2 Samoela 8:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia nohamasinin’i Davida Mpanjaka ho an’i Jehovah ireny, hoatran’ny efa nataony tamin’ny volafotsy sy ny volamena avy tany amin’ny firenena rehetra resiny,+ 12 dia i Syria sy Moaba,+ ny Amonita, ny Filistinina,+ ny Amalekita,+ ary avy tamin’ny zavatra azo babo tamin’i Hadadezera+ zanak’i Rehoba mpanjakan’i Zoba.
-
-
2 Samoela 12:30, 31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Ary nesoriny ny satroboninahitra volamena teny an-dohan’i Malkama. Iray talenta* no lanjan’izy io, ary nisy vatosoa ilay izy. Dia natao teo amin’ny lohan’i Davida ilay izy. Ary naka zavatra be dia be+ avy tao amin’ilay tanàna+ izy. 31 Nentiny koa ny olona tao ka nampiasainy mba hanatsofa vato, sy hiasa amin’ny fitaovana vy maranitra sy famaky vy, ary hanao biriky. Nataony hoatr’izany daholo ny tanànan’ny Amonita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny miaramila rehetra.
-