-
Nomery 31:50Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
50 Aleo àry izahay samy hanolotra ny zavatra hitanay ho fanatitra ho an’i Jehovah, dia zavatra vita amin’ny volamena, rojon-tongotra, brasele, peratra fanombohan-kase, kavina, ary firavaka hafa, mba handrakofana ny fahotanay eo anatrehan’i Jehovah.”
-
-
1 Tantara 18:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 dia nirahiny ho any amin’i Davida Mpanjaka i Hadorama zanany lahy, mba hanontany ny fahasalamany sy hiarahaba azy noho izy niady tamin’i Hadadezera dia nandresy azy. Niady matetika tamin’i Toy mantsy i Hadadezera. Ary nitondra zavatra isan-karazany vita tamin’ny volamena sy volafotsy ary varahina i Hadorama. 11 Dia nohamasinin’i Davida Mpanjaka ho an’i Jehovah ireny,+ hoatran’ny efa nataony tamin’ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tany amin’ny firenena rehetra, dia i Edoma sy Moaba, ny Amonita,+ ny Filistinina,+ ary ny Amalekita.+
-