-
1 Tantara 22:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary nasain’i Davida novorina ny vahiny+ tao amin’ny tanin’ny Israely ka notendreny ho mpipai-bato. Hikapa sy hanefy vato hanorenana ny tranon’ilay tena Andriamanitra izy ireo.+ 3 Nanomana vy be dia be i Davida mba hanaovana fantsika ho an’ny vavahady sy vy fametahan-javatra. Nanomana varahina be dia be efa tsy voalanja intsony koa izy,+ 4 ary hazo sedera+ tsy hita isa. Nitondra hazo sedera be dia be ho an’i Davida mantsy ny olona avy any Sidona+ sy Tyro.+
-