FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 7:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Fantatrao tsara fa i Jehovah Andriamanitrao no tena Andriamanitra, ilay Andriamanitra mendri-pitokisana sady manaja ny fifanekena nataony. Tena tia an’izay tia azy sy izay mankatò ny didiny koa izy sady tsy mba mivadika amin’izy ireny mihitsy, na dia hatrany amin’ny taranaka faharivo aza.+

  • 1 Mpanjaka 8:23-26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Dia hoy izy: “Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, tsy misy Andriamanitra hoatr’anao+ na any amin’ny lanitra ambony na etỳ amin’ny tany ambany. Manaja fifanekena ianao, ary tia an’izay manompo anao amin’ny fony manontolo+ sady tsy mivadika aminy.+ 24 Notanterahinao ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao. Ny vavanao mihitsy no nampanantena ary ny tananao mihitsy no nanatanteraka an’izany androany.+ 25 Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho àry ilay fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao hoe: ‘Hisy lehilahy avy amin’ny taranakao foana hipetraka eo anatrehako eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely, raha mitandrina tsara an’izay ataony ny taranakao, ka manaraka an’izay atoroko, tahaka ny nanarahanao an’izay natoroko anao.’+ 26 Koa ankehitriny, ry Andriamanitry ny Israely ô, mba tanteraho re ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao e!

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara