-
Levitikosy 4:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “‘Hesorin’ilay mpisorona avy eo ny taviny rehetra amin’ilay omby atao fanatitra noho ny ota, dia ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin’ny tsinainy, 9 ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin’ny tehezany. Hesoriny miaraka amin’ny voa koa ny jabora eo amin’ny atiny.+ 10 Mitovy amin’izay esorina amin’ny omby atao sorona iombonana ihany no hesorina.+ Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara fanaovana fanatitra dorana ireo, mba hidona-tsetroka.
-
-
1 Mpanjaka 8:64-66Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
64 Tamin’izay andro izay, dia voatery nohamasinin’ny mpanjaka ny teo afovoan’ny tokotany, teo anoloan’ny tranon’i Jehovah. Teo no tsy maintsy nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin’ny sorona iombonana. Kely loatra mantsy ilay alitara varahina,+ izay teo anatrehan’i Jehovah, ka tsy antonona teo ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin’ireo+ sorona iombonana. 65 Nanao fety+ i Solomona tamin’izay, niaraka tamin’ny Israely rehetra, izay fiangonana lehibe avy any Lebo-hamata* ka hatrany amin’ny Reniranon’i* Ejipta.+ Nanao fety teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika izy nandritra ny 7 andro, niampy 7 andro, izany hoe 14 andro. 66 Nalefany nody ny vahoaka ny ampitson’iny.* Dia nitso-drano ny mpanjaka ny vahoaka, ary samy nandeha nody. Faly sy ravoravo erỳ ny fon’izy ireo, noho ny soa+ rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Davida mpanompony sy ny Israely vahoakany.
-