-
1 Mpanjaka 10:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Volamena daholo ny kaopin’i Solomona Mpanjaka. Ary volamena tsy misy fangarony ny fitaovana rehetra tao amin’ny Trano Alan’i Libàna.+ Tsy nisy zavatra vita tamin’ny volafotsy mihitsy, satria noheverina ho tsinontsinona ny volafotsy tamin’ny andron’i Solomona.+ 22 Nanana andiana sambon’i Tarsisy+ ny mpanjaka, ary niaraka tamin’ny andian-tsambon’i Hirama teny an-dranomasina izy ireny. Tonga isaky ny telo taona ny andian-tsambon’i Tarsisy, izay nitondra volamena sy volafotsy, ivoara,+ rajako, ary vorombola.
-
-
1 Mpanjaka 10:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Nataon’ny mpanjaka be dia be toy ny vato ny volafotsy tany Jerosalema, ary nataony betsaka toy ny aviavidia any Sefela ny hazo sedera.+
-