-
1 Mpanjaka 11:29-31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Nivoaka an’i Jerosalema i Jeroboama tamin’izay fotoana izay, ka hitan’i Ahia+ mpaminany teny an-dalana. Nanao akanjo vaovao i Ahia Silonita, ary izy roa lahy irery no tany an-tsaha. 30 Dia nesorin’i Ahia ilay akanjo vaovao nanaovany, ka norovidrovitiny ho 12. 31 Ary hoy izy tamin’i Jeroboama:
“Makà folo ho anao, fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Hendahako tsy ho eo an-tanan’i Solomona ny fanjakana, ka homeko foko folo ianao.+
-