-
2 Mpanjaka 9:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Rehefa nahita an’izay nitranga i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, dia nandositra nanaraka ny lalana mankany amin’ny zaridaina lehibe.*—Tatỳ aoriana, dia nanenjika azy i Jeho, ka niteny hoe: “Asio koa iny!” Dia nasian’izy ireo tao anaty kalesiny izy, teny an-dalana hiakatra tany Gora, any akaikin’i Ibleama.+ Mbola nandositra hatrany Megido ihany anefa izy, ka tany izy no maty. 28 Dia nentin’ny mpanompony tamin’ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka nalevin’izy ireo tao am-pasany any amin’izay nisy an’ireo razambeny, tao amin’ny Tanànan’i Davida.+
-