-
2 Mpanjaka 9:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Nijoro teny ambony tilikambo tany Jezirela ny mpitily, ka nahatazana olona be dia be tamy avy any, niaraka tamin’i Jeho. Tonga dia niteny izy hoe: “Mahatazana olona be dia be aho.” Ary hoy i Jorama: “Mandefasa mpitaingin-tsoavaly hitsena an-dry zareo, ka asaivo manontany hoe: ‘Fihavanana ve no ahatongavanareo atỳ?’”
-
-
2 Tantara 26:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Nanorina tilikambo+ tao Jerosalema koa i Ozia, teo akaikin’ny Vavahady An-jorony,+ sy teo akaikin’ny Vavahadin’ny Lohasaha,+ ary teo akaikin’ny Andry Manohana ny Manda, sady nataony mafy tsara ireny. 10 Nanorina tilikambo+ tany an-tany efitra koa izy. Nihady* lavaka be dia be fanangonan-drano izy, satria nanana biby fiompy maro be. Nanao hoatr’izany koa izy tany Sefela sy teny amin’ny lemaka.* Ary nanana mpamboly sy mpikarakara tanimboaloboka teny an-tendrombohitra sy tany Karmela izy, satria tia namboly.
-