FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 24:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Nivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Babylona i Joiakina mpanjakan’ny Joda,+ niaraka tamin’ny reniny, ny mpanompony, ny andrianany, ary ny tandapany.+ Dia nalain’ny mpanjakan’i Babylona ho babo i Joiakina, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.+

  • 2 Mpanjaka 24:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Nataon’i Nebokadnezara sesitany i Jerosalema manontolo, ny andriana+ rehetra, ny miaramila matanjaka rehetra, ary ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy*+ rehetra. Nahatratra 10 000 ny isan’ireo natao sesitany. Tsy nisy navelany afa-tsy ireo mahantra faraidiny teo amin’ny vahoaka.+

  • 2 Tantara 36:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+

  • 2 Tantara 36:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Dia nentiny ho babo tany Babylona izay sisa tsy matin’ny sabatra,+ ka lasa nanompo azy+ sy ny taranany, mandra-pahatongan’ny fotoana nitondran’ny fanjakan’i Persa.+

  • Jeremia 39:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia nentin’i Nebozaradana,+ lehiben’ny mpiambina, ny vahoaka sisa tao an-tanàna, sy ireo efa nitolo-batana tany aminy, ary izay olon-kafa sisa tavela, ka nataony sesitany tany Babylona.

  • Jeremia 52:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Dia nentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny olona sasany ambany saranga sy ny vahoaka sisa tao an-tanàna, ka nataony sesitany. Nentiny koa ireo efa nitolo-batana tany amin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny sisa tamin’ireo mpanao asa tanana tena mahay.+

  • Jeremia 52:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Ireto avy ny olona nataon’i Nebokadnezara* sesitany: Jiosy 3 023,+ tamin’ny taona fahafito nanjakany.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara