- 
	                        
            
            Estera 6:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
11 Nalain’i Hamana àry ilay akanjo ka nampanaoviny an’i Mordekay.+ Nalainy koa ilay soavaly ka nampitaingeniny an’ilay izy i Mordekay, dia nentiny teny amin’ny tany malalaky ny tanàna. Ary niantsoantso teo alohany izy hoe: “Izao no atao amin’ny lehilahy tian’ny mpanjaka homena voninahitra!” 12 Niverina teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay taorian’izay. I Hamana kosa nody haingana tany an-tranony, ary nalahelo be izy ka nosaronany ny lohany.
 
 -