FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 1:16-21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Dia niondrika i Batseba ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: “Misy zavatra tianao hangatahina angaha?” 17 Dia namaly izy hoe: “Ianao, tompoko, efa nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao ka niteny tamin’ny mpanomponao hoe: ‘I Solomona zanakao no ho mpanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako.’+ 18 I Adonia anefa izao no lasa mpanjaka, ary tsy mahafantatra na inona na inona momba an’izany ny mpanjaka tompoko.+ 19 Nanao sorona omby sy biby nohatavezina ary ondry be dia be izy. Dia nasainy daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka sy Abiatara mpisorona ary Joaba lehiben’ny tafika,+ fa i Solomona mpanomponao tsy mba nasainy.+ 20 Ary miandrandra anao daholo izao ny mason’ny Israely rehetra, ry mpanjaka tompoko ô, mba hilaza amin’izy ireo hoe iza no handimby ny mpanjaka tompoko ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany. 21 Raha tsy izany mantsy, dia hoheverina ho mpamadika izaho sy Solomona zanako raha vao hodimandry any amin’ny razambeny ny mpanjaka tompoko.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara