-
Deoteronomia 32:45-47Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
45 Rehefa avy nilaza an’ilay tononkira manontolo tamin’ny Israely rehetra i Mosesy, 46 dia hoy izy: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra ampitandremako anareo androany.+ Amin’izay dia ho afaka hiteny amin’ny zanakareo ianareo hoe ankatoavy ny teny rehetra ato amin’ity Lalàna ity.+ 47 Tsy hoe teny tsy misy dikany mantsy ireo aminareo, fa iankinan’ny ainareo.+ Ireo teny ireo koa no hahela velona anareo, eo amin’ilay tany halainareo ho fanananareo eny ampitan’i Jordana.”
-