-
2 Samoela 14:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Ary nipetraka roa taona katroka tao Jerosalema i Absaloma. Tsy mbola nahita ny mpanjaka anefa izy.+
-
-
Asan’ny Apostoly 15:37-39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Tapa-kevitra ny hitondra an’i Jaona, ilay antsoina hoe Marka,+ i Barnabasy. 38 Tsy nazoto hitondra an’i Marka niaraka tamin’izy ireo anefa i Paoly, satria nandao azy roa lahy tany Pamfylia izy, ka tsy nandeha niaraka tamin’izy ireo nanao an’ilay asa.+ 39 Koa nifamaly be izy roa lahy sady samy tezitra, dia nisaraka. Nentin’i Barnabasy+ i Marka, ary nandeha sambo nankany Sipra izy ireo.
-