- 
	                        
            
            Deoteronomia 6:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        10 “Rehefa entin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenao hoe homena anao ianao,+ dia hahazo tanàna lehibe sady tsara tarehy izay tsy naorinao.+ 11 Hahazo trano feno zavatra tsara isan-karazany izay tsy nisasaranao koa ianao, sy lavaka fanangonan-drano tsy nolavahanao, sy tanimboaloboka tsy novolenao, ary hazo oliva tsy nambolenao. Dia hihinana ianao ka ho voky.+ 
 
- 
                                        
- 
	                        
            
            Ohabolana 13:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        22 Mamela lova ho an’ny zafikeliny ny olona tsara toetra, Fa ny harenan’ny mpanota kosa hotehirizina ho an’ny olo-marina.+ 
 
-